18/04/2026
JESOA TSY MANDAO
Nangidy ireny lasa ireny, reko niatra tamin'ny aiko
Toa tsy mety lany mihitsy ny ady sy ola-mitatao
Be ireo lala-nolalovana, saika hahakivy izany saiko
Fa ny hany sisa nifaliako: soa Jesoa fa teo Ianao
Matetika aho no azon-tahotra, malahelo koa mazàna
Rehefa tojo izay manjo, toa tsy mety haiko izay atao
Dia ny sento sy tomany no miraradraraka, tsy tàna
Ny hany sisa mampitony: hay Jesoa mbola eo Ianao
Tsy fantatro ny rahampitso na izay segaondra iray ho avy eo
Tsy haiko izay anjara ho ahy rehefa mandroso ho ao aloha ao
Tsy namboarina aho hahalala ny zava-drehetra mety hiseho
Ny hany tokiko amin'ny hoavy: Ianao Jesoa tsy mba mandao.
Art'lala
180426