Vato sy Hasina/Stone and virtue

Vato sy Hasina/Stone and virtue Entreprise spécialisée dans le domaine des minéraux et Gemmes, pierres fines et ornementales

17/11/2025

Dia tohizantsika amin’ny vato emeralds (ÉMERAUDES) indray ny fampahafantarana ny vato natoraly azonao jifaina ato aminay.

Ireo hasina sy tombotsoa entin’ny emeralds eo amin’ny fiainanao :

❇️ Fitiavana sy fihavanana : mariky ny fitiavana marina, manamafy ny fatoram-pihavanana ary manampy amin’ny fahamarinana amin’ny fifandraisana.
❇️ Filaminana ara-pihetseham-po : mampitony ny hatezerana sy ny fikorontanan-tsaina, mitondra fiadanam-po. Ka raha kizintina lava ny olona akaiky anao dia hanolory firavaka misy emerald izy ho tony
❇️ Fahazavan-tsaina : manampy amin’ny fifantohana, fahendrena ary fanapahan-kevitra marina.
❇️ Fanavaozana sy fitomboana : Tsisy manaiky resy eny an-dalana izany fa afaka manampy anao amin’ny fanarenana sy fanombohana vaovao ny vato emeralds
❇️ Fanasitranana : nampiasaina hatramin’izay hanasitranana ny aretim-po sy hanamafisana ny hery fiarovana.
❇️ Fiarovana : manalavitra ny herin’ny ratsy sy manamafy ny angovo anatiny.
❇️ Tombontsoa sy fahombiazana : misarika harena sy fahombiazana amin’ny tetikasa.

🌟 Manomboka amin’ny 80 000 ariary hatramin’ny 880 000 ariary no mihoatra
🌟 Manomboka amin’ny 120 000 ariary kosa izy raha miaraka amin’ny firavaka ka arakaraky ny firavaka ilainao no mametra ny vidiany ambony

Ny vato emerald na émeraude dia mifandray amin’ny chakra fo, ary tena mahasoa ho an’ny Adaoro, Asorotany ary Adimizana

17/11/2025

Am-pitiavana hatrany no hizaranay aminareo ny antony ilana ny vato voajanahary izay afaka jifainareo eto aminay. Vato efa miaraka amin’ny firavaka na mandeha irery ihany koa.

🌟 Manomboka amin’ny 10 000 ariary hatramin’ny tapitrisa maromaro Ariary (tsy miaraka amin’ny firavaka na koa vato fatao ranty)

🌟 Manomboka amin’ny 32 000 ariary hatramin’ny izay tianao atao lanjan’ny volafotsy na volamena raha miaraka amin’ny firavaka

Ny toetra sy herin’ny vato AMETHYSTS :

❇️ Mitondra filaminana : mampitony ny adin-tsaina, tahotra ary ny fihetseham-po ratsy.
❇️ Torimaso mahafa-po : manampy amin’ny torimaso lalina ary mandroaka nofy ratsy.
❇️ Fahazavana ara-tsaina : manampy amin’ny fifantohana, fanapahan-kevitra ary fahazavan-tsaina.
❇️ Fiakarana ara-panahy : tonga lafatra ho an’ny fisaintsainana, mampihetsika ny chakra coronal.
❇️ Fiaro amin’ny angovo ratsy : mandroaka angovo ratsy ary manadio ny tontolo iainana.
❇️ Manampy amin’ny fanalavirana fakam-panahy : manohana amin’ny ady amin’ny fiankinan-doha (toaka, sigara, sns).
❇️ Fampitoniana fanaintainana : mampitony aretin-doha, fahavizan’ny vatana ary fanaintainana sasantsasany.

TSARA raha ampiasaina ao amin’ny efitra fatoriana na toerana fisaintsainana ny amethysts. Natao manokana ho an’ireo manana vintan’andro Adalo sy Alohotsy izy fa mety tsara ho an’ny vintana rehetra koa anefa.

17/11/2025
Dia mitohy ihany ny fizaranay aminareo ny vato misy ato aminay sy ny hasina ao aminy Ireto avy ny tombotsoa lehibe entin...
03/11/2025

Dia mitohy ihany ny fizaranay aminareo ny vato misy ato aminay sy ny hasina ao aminy

Ireto avy ny tombotsoa lehibe entin’ny vato garnet ; izay fantatra amin’ny heriny amin’ny lithothérapie

❇️ Hery sy ainga : mampitombo ny tanjaka ara-batana, herim-po ary finiavana.
❇️ Fiorenana sy fahamarinan-toerana : manamafy ny fifandraisana amin’ny tany sy ny zava-misy.
❇️ Fitiavana sy hafanana : mampitombo ny fihetseham-po sy mampirehitra indray ny afon’ny fifandraisana.
❇️ Fitokisana tena : manampy amin’ny fandresena sakana ara-pihetseham-po sy manatsara ny tena fanombanana.
❇️ Fiaro : toy ny ampinga miaro amin’ny angovo ratsy.
❇️ Fikoriana rà : ampiasaina amin’ny fomba nentim-paharazana hanatsarana ny fahasalaman’ny fo sy ny rà.
❇️ Famoronana sy fahombiazana : manohana ny tetikasa lehibe sy mamporisika tsy ho kivy.

🌟 Manomboka amin’ny 7 000 ariary hatramin’ny 220 000 ariary
🌟 Raha miaraka amin’ny firavaka dia manomboka amin’ny 24 000 ariary arakaraky ny firavaka tianao na volafotsy na volamena

Tsara ho fantatra ihany koa fa ny garnet na grenat dia mifandray amin’ny chakra fototra ary tena ilaina ho an’ny zava-manan’aina indrindra fa ho an’ireo izay mitondra ny vintana Alahamady, Alahasaty ary Alakarabo

Tonga soa eto amin'ny pejy Vato sy Hasina.Natao ity pejy ity himpazarana ny momba ny vato   ny hasiny.Ny vato eto amin'n...
31/10/2025

Tonga soa eto amin'ny pejy Vato sy Hasina.
Natao ity pejy ity himpazarana ny momba ny vato ny hasiny.
Ny vato eto amin'ny pejy ve?
_ Vato avy eto irery ihany
_ Vato irery ihany, tsy nandalo fikarakarana hafa tsy ny " taillage", tsy nampiasana akora hafa hampiakarana ny hatsarany.

Mandrosoa Hasina!!!

Address

Antananarivo Avaradrano
Antananarivo
103

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vato sy Hasina/Stone and virtue posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share