π…πšπ§π’π«π² π‚π¨πšπœπ‘π’π§π 

  • Home
  • Madagascar
  • Mahajanga
  • π…πšπ§π’π«π² π‚π¨πšπœπ‘π’π§π 

π…πšπ§π’π«π² π‚π¨πšπœπ‘π’π§π  "π‘©π’“π’Šπ’π’π’†π’› 𝒔𝒂𝒏𝒔 π’π’Šπ’Žπ’Šπ’•π’†, π’†π’ƒπ’π’π’–π’Šπ’”π’”π’†π’› 𝒍𝒆 𝑴𝒐𝒏𝒅𝒆"
𝑬𝒙𝒑𝒆𝒓𝒕𝒆 𝒆𝒏 π’Žπ’Šπ’π’…π’”π’†π’• 𝒅𝒆 π’„π’“π’π’Šπ’”π’”π’‚π’π’„π’†
π‘ͺπ’π’‚π’„π’‰π’Šπ’π’ˆ, π‘°π’π’”π’‘π’Šπ’“π’‚π’•π’Šπ’π’, π‘³π’†π’‚π’…π’†π’“π’”π’‰π’Šπ’‘, π‘¨π’„π’„π’π’Žπ’‘π’‚π’ˆπ’π’†π’Žπ’†π’π’•,π‘­π’π’“π’Žπ’‚π’•π’Šπ’π’.

19/04/2026

Ny cΓ s mety hitranga koa dia hoe ianao misy manaratsy any ambadimbadika any dia avy eo mino anazy dahoulo ny olona rehetra na dia hoe lainga aza.Rehefa manomboka mahatsapa amizay ianao hoe misy zavatra tsy normal ange izy zany ee, tΓ΄ lasa nivadika taminao dahoulo ny olona nohon'ny fanaratsiana diso nataony momba anao.Eo enao vΓ΄ mahatsapa fa ketraka no tsy hita izay atao.Ny marina mitavozavoza ono resin'ny lainga tsara lahatra kanefa na ho ela na ho aingana tsy maintsy mipoitra dahoulo ny marina.

30/03/2026

Parfois, Γͺtre belle devient un problΓ¨me.
Γ‡a peut mΓͺme donner honte.
Les gens te regardent beaucoup, certains te jalousent, parlent sur toi sans raison.
Surtout quand on est vraiment belle, on ne trouve jamais la tranquillitΓ© : que ce soit au travail, lors d’une fΓͺte, d’un mariage, Γ  l’église ou simplement en sortant, les regards et les jugements sont toujours prΓ©sents.Tout cela uniquement Γ  cause de cette beautΓ©.

Ce qui est encore plus surprenant, c’est que mΓͺme en essayant de ne pas se faire remarquer β€” en portant des vΓͺtements simples, en Γ©vitant le maquillage β€” Γ‡a ne change rien, on te remarque toujours β€” impossible de l’éviter.

Parfois aussi, ton partenaire ne te fait pas confiance.
On pense que tu sorts avec de nombreuses hommes, on doute de toi sans preuve.
Alors qu’en vrai, tu es fidΓ¨le et tu ne sors avec personne.
Tout Γ§a juste parce que tu es belle.

C’est une situation difficile Γ  vivre.

23/03/2026

Amin'izao vanin'andro iainntsika izao, matetika ny olona iray rehefa tsy manam-bola dia itsakitsahan'ny olona, aratsian'ny olona, lotovina hatramin'ny fiainany, atao dahoulo izay fomba rehetra anakiviana azy amizay izy tsy ho tafa mihintsy.
Iza no lalΓ na milaza fa ny olona mahantra dia tsy ho lasa mpanankarena any aoriana any?
Misy ihany vΓ© raha olona hafaka hilaza fa ianao dia olona tsinontsinona sahala amin'olona tsisy ilavan'azy?
Satria mantsy araka ny fahitako azy dia ireny olona niafy sy sahirana ireny no nanao ezaka ka nahatonga azy ho lasa mpanefoefo.Ary ny mety ho hita ko dia hoe ny mpanankarena dia ho lasa mpanankarena hatrany.Na ny mahantra dia mety hanankarena iany. Fa tsy misy lalΓ na afaka hilaza hoe tsy ho tafa izany isika raha toa ka milofo ny angovontsika.

23/03/2026

❌Mandalo ny fiainana eto an-tany…

Tsy misy maharitra eto.
Ny hafaliana mandalo.
Ny alahelo mandalo.
Ny olona tianao mety handao.
Ny olona nandratra anao mety tsy hiverina hifona.

Mandalo ny fiainana…
fa indraindray isika miaina toy ny hoe tsy ho tapitra mihitsy.
Mankahala ela loatra.
Mifaninana amin’olona tsy mitondra antsika ho aiza.
Mitahiry ratra tsy manasitrana.

Mampalahelo ny mahita olona mandany ny androny amin’ny fankahalana,
kanefa tsy fantany fa mety rahampitso dia tsy ho eo intsony izy.

Manaitra ahy izany.
Satria raha mandalo aho,
dia tsy te ho tsaroana amin’ny fahatezerana,
fa amin’ny hatsaram-panahy.

Tsy te ho fantatra amin’ny hambom-po,
fa amin’ny fitiavana.

Tsy te handany ny fotoako hanaporofo amin’olona,
fa hanangana fiainana misy dikany.

Mandalo ny fiainana eto an-tany…
Koa aza avela handalo fotsiny ianao.
Tiava.
MamelΓ  heloka.
Miezaha.
Avelao ny dianao hitantara hoe:
β€œNa dia fohy aza ny fiainana, dia nisy lanjany.β€πŸŒΏβœοΈβœοΈβœοΈπŸ§ πŸ§ Faniry Coaching

23/03/2026

βŒβ€ŽManomboka androany haiko ny misafidy namana na havana na vady tena tia ahy satria :
β€Ž
A-β€ŽTsy misy excuse fa ataony tout le moyen mbΓ  hijanonany eo akaikinao, tia anao izy zay.
β€Ž
B-β€ŽTsy mahazaka mahita anao mi-souffre izany izy, tia anao izy zay.
β€Ž
C-β€ŽMatoa izy mahavita mi-comprendre anao satria manana confiance aminao izy zay, tia anao izy zay.
β€Ž
D-β€ŽTsy menatra miaro anao eo imason'izao tontolo izao sady tsy matahotra maneho fitiavana aminao izy partout, tia anao izy zay.
β€Ž
E-β€ŽFantany tsara ny zavatra ilainao, tsy voatery miteny akory anao na mitabataba be, tia anao izy zay.
β€Ž
F-β€ŽMahavita mihaino tsara anao izy rehefa mitaraina ianao na rehefa miresaka aminy ianao, tia anao izy zay.
β€Ž
G-β€ŽFantany valeur-nao sady vitany ny mitazona valeur-nao sady ataony izay hampiakatra ny valeur-nao, tiany anao izy zay.
β€Ž
H-β€ŽMangina sady bΓ© fandeferana izy, tia anao izy zay.
β€Ž
I-β€ŽFifalianao no fahafinaretany, miray hina aminao izy, manaja anao tsy ankitery fa tena vokatrin'ny fo, ary mahafinaritra azy ny manampy anao, tia anao izy zay.
β€Ž
J-β€ŽMahay mankasitraka anao izy,faly izy rehefa atolotrao fanomezana, ary mahay mandray ny fitiavana izay omenao azy, tia anao izy.
β€Ž
K-Hainy ny mitaiza anao, tsy ankatezerana fa ampilaminana satria tsy vitany ny ande hiady no sady hifamaly aminao isan'andro, tia anao izy zay.
β€Ž
β€ŽNY OLONA TENA TIA ANAO DIA MAHAY MITANDRINA NY FIHETSIKA SY NY FITENY AVOAKAN'NY VAVANY.
β€ŽN.B= NY TENA FITIAVANA DIA TSY MANANA LIMITE FA KOSA TSY MAINTSY TOKONY HO RΓ‰CIPROQUE RAHA TE HO SAMBATRA.(Fitiavana mifamaly fa tsy nen'ny iray ihany 100% fa ny anakiray sanatriavina tsisy mintsy,izay vΓ΄ tena loza❄️πŸ₯Ά)
β€ŽβœοΈβœοΈβœοΈπŸ§ πŸ§ Faniry Coaching🌿

23/03/2026

🀍VAVAKA HO AN'NY TONTOLO ANDRO πŸ™
"Tompo Γ΄, misaotra Anao amin’ity andro vaovao ity.
Mba tariho aho amin’ny fihetsika sy ny eritreritro rehetra, mba ho tsara sy ho marina ny asa rehetra ataoko.

Omeo fahendrena aho hiatrika ny fanapahan-kevitra rehetra, faharetana rehefa misy olana, ary fo feno fitiavana amin’ny olona rehetra manodidina ahy.

Aoka ho ambinina sy hahomby ny zavatra rehetra ataoko androany, ary hitoetra ao am-poko ny fiadanana sy ny fahatokiana.

Amin’ny anaran’i Jesosy no anaovako ny vavako.
Amen."β€οΈπŸ™

πŸ‘‰ Zarao hampahery ny hafa hiatrika ny tontolo andro ihany koa πŸ₯°β€οΈ
-

23/03/2026

Matetika tsy noho ianao ratsy,
fa noho ianao misy zavatra tsy ananany no igafiany sy ialonany anao....

Ny fialonana dia:
– Fanaintainana miafina.
– Tsy fahatokisan-tena.
– Tahotra sao ianao mihoatra azy.

Fa inona no tokony ataonao?

1. Aza midina amin’ny haavony.
Raha mialona izy, ianao mitombo.

2. Aza mampihena ny hazavanao.
Tsy asanao ny mampitony ny tsy fahatokisan-tenany.

3. Mitandrema fa aza mankahala.
Indraindray ny olona mialona no mijery akaiky indrindra ny fiainanao.

4. Mifantoha amin’ny lalanao.
Ny fahombiazana mangina no valiny tsara indrindra.

Tsarovy:
Ny hazo feno voankazo no torahana vato.
Raha misy mialona anao, mety midika izany fa misy zavatra sarobidy ao aminao.

MitsangΓ na, mamirapirata, ary avelao izy hianatra amin’ny fahanginanao.
✍️✍️✍️🧠🧠🧠Faniry Coaching😍😍



α©£γ‚·

23/03/2026

Ny olona izay tsy mahita ny valeur-nao… tsy voatery ho jamba izy, fa mety tsy natao hahita anao. Ireto ny vahaolana mazava:

1. Aza manery olona hahita ny lanjanao.
Ny cristal tsy miangavy olona hijery azy. Mamirapiratra fotsiny izy.

2. Atsaharo ny fanazavana tafahoatra.
Raha mila manazava foana ianao vao hajaina, dia tsy eo amin’ny toerana mety ianao.

3. Omeo lanja ny tenanao aloha.
Rehefa fantatrao tsara ny hasarobidinao, tsy ho mora ampihorohoroina ianao.

4. Mifidiana tontolo mankasitraka anao.
Misy toerana tsy natao ho anao. Misy olona tsy natao hiaraka amin’ny dianao.

5. Ampiasao ho herinao ny fanambaniana.
Avelao ny fahombiazanao no hamaly mangina.

Tsarovy:
Tsy midika hoe tsy misy lanjany ianao raha misy olona tsy mahita izany.
Indraindray, tsy hoe ambany ny valeur-nao… fa ambany ny fahafahan’izy ireo mandrefy azy.

Aza mihena mba hifanaraka amin’ny olona tsy mahazaka ny hazavanao.
✍️✍️✍️🧠🧠🧠Faniry Coaching😍😍

23/03/2026

Voalohany aloha…
marary izany fahatsapana izany.
Rehefa ianao tia olona rehetra, tsara fanahy, manampy…
fa toa tsy misy tena tia sy mankasitraka anao.

Fa henoy tsara izao:

1. Aza afangaro ny β€œtsara fanahy” sy ny β€œmanaiky ampiasaina”.
Tsara fanahy ianao, fa tsy midika izany hoe tsy maintsy ekenao ny fanararaotana.
Mianara mametraka fetra.

2. Aza mitady ho voavonjy foana amin’olona.
Indraindray tsy misy β€œmpamonjy” tonga.
Fa ianao mihitsy no tsy maintsy mitsangana ho mpamonjy ny tenanao.

3. Mety tsy eo amin’ny tontolo mety ianao.
Misy toerana tsy mahalala ny lanjanao.
Fa any ho any, misy olona hahita ny hatsaranao tsy mila fanazavana.

4. Aza atsahatra ny maha-tsara fanahy anao.
Fa ataovy amin’ny olona mendrika izany.
Ny fo madio tsy tokony hovaina, fa tokony harovana.

Ary farany…
Tsy hoe tsy misy mila anao.
Fa mety mbola tsy tonga ireo olona tokony hiaraka amin’ny dianao.

Indraindray ny olona tsara fanahy indrindra no mandalo fotoana mangina sy irery indrindra.
Fa tsy midika izany hoe tsy sarobidy ianao.

Raha tsy misy tia anao araka ny antenainao,
ianao aloha no tia sy manaja ny tenanao lalina.

Satria rehefa mahafantatra ny lanjanao ianao,
dia tsy hangataka fitiavana intsony…
fa hisarika azy ho azy. 🌿✨
✍️✍️✍️🧠🧠Faniry Coaching😍😍



α©£γ‚·

23/03/2026

Tsy marina tanteraka ilay hoe β€œtsy tokony hisy tambiny mihitsy ny fanaovana soa.”

Eny, marina fa tsara ny manao soa tsy miandry valiny. Saingy tsy midika izany fa tsy misy vidiny na lanjany ny asa ataonao.

1️⃣ Ny soa dia manana lanja

Rehefa miasa ianao, manampy, manome fotoana, fahalalana, na hery β€” dia misy lanja izany.
Raha tsy misy tambiny mihitsy, dia mety ho lasa:

- tsy hajaina ny ezaka ataonao

- ataon’olona ho fahazarana ny manararaotra

Ny olona hendry dia mahalala fa ny asa mendrika dia mendrika valisoa.

2️⃣ Ny tambiny tsy voatery vola

Ny tambiny dia mety ho:

fanajana

fankasitrahana

fitokisana

fifandraisana tsara

Fa tsy voatery ho vola foana. Raha tsy misy na iray aza amin’ireo, dia tsy fifandanjana izany.

3️⃣ Raha mitaky tambiny ianao, tsy midika hoe ratsy fanahy

Raha miasa amin’ny maha-asa izany, na amin’ny maha-andraikitra, dia ara-dalΓ na ny mangataka tambiny.
Tsy fanararaotana izany fa fahamarinana sy rariny.

4️⃣ Ny olona tsy mamaly anio, mety hamaly rahampitso

Tsy tokony hanao soa satria manantena valiny avy amin’ilay olona ihany.

Fa:

Mety avy amin’olona hafa

Mety amin’ny fotoana hafa

Mety amin’ny endrika hafa

Fa tsy midika hoe tsy tokony hanana fetra ianao.

πŸ’‘ Fehiny:
Tsara ny manao soa tsy miandry valiny, fa tsy midika izany fa tokony hanaiky ho ampiasaina na tsy hahazo tambiny mihitsy.
Ny soa dia tsara, fa ny rariny koa ilaina.✍️✍️✍️🧠🧠Faniry Coaching😍😍😍



α©£γ‚·

23/03/2026

ARehefa manao erreur ianao, dia toy ny hoe tsy ho voavela intsony ilay fahadisoanao.
Ary ny tena maharary dia ataony daholo ny fomba rehetra hanakiviana sy hanaratsiana anao, ka tonga dia tsapanao lalina hoe tena nanao hadisoana tokoa ianao.

Kanefa rehefa mandeha ny fotoana, ilay olona nandiso sy nanakiana anao indray no manao erreur mitovy amin’ilay nataonao.

Dia lasa manontany tena ianao hoe :

Fa maninona aho irery no natao ho meloka?

Fa maninona ny fahadisoako no naseho be dia be, nefa ny azy afeniny?

Fa maninona izy no mampiseho fa izaho no coupable indrindra eto amin’ity fiainana ity, kanefa tsy fantany akory fa ny fahadisoany aza mety mihoatra lavitra noho ny nataoko?

NY ANTONY DIA IZAO :

Te hampiakatra ny valeur-ny izy.

Te hifehy sy hanambany anao izy.

Tsy mahita ny lanjan’ny fisianao izy.

Rehefa vao manao erreur ianao, dia tsy jerena ho fahadisoana mandalo izany.
Tsarainy hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia ianao.
Ataony ho toy ny fahazarana mihitsy ilay fahadisoana,
ary heveriny fa tsy afaka miova intsony ianao.

2Γ¨me cas :

Ho azy, tsy pardonnable mihitsy ny erreur ataonao.
Na inona na inona fanazavana sy fandresen-dahatra ataonao,
efa voaheloka sahady ianao.

Tsy hoe izany no irintsika…
fa indraindray, izany no zava-misy.

Fa tadidio :
Ny fahadisoana dia tsy mamaritra ny maha-ianao anao.
Tsy izay niseho indray mandeha no famaritana ny lanjanao.
Ny olona tena mahay mitia sy mahay manaja dia mahalala fa olombelona isika β€” mety diso, mety mianatra, ary mety miova.✍️✍️✍️🧠🧠Faniry Coaching😍😍😍



α©£γ‚·

23/03/2026

Rehefa tonga amin’ny fotoana fampirafesana, indraindray isika vehivavy no lasa diso fanantenana.
Misy fanenenana mangina miditra ao am-po, tsy hay tenenina, tsy hay hazavaina.
Ilay olona nantenaina sy natokisana indray no toa miova.
Ary rehefa jerenao tsara… tena miova tokoa.
Tsy te hiresaka aminao intsony izy.
Tsy te hisangy sy hifampihomehy tahaka ny taloha.
Tsy te hiara-hifaly aminao intsony.
Aleony mifaly any ivelany, miaraka amin’ny hafa,
nefa tsy tsapany fa ny tena fifaliana sy hasambarana dia ao an-trano, ao amin’ilay olona niara-nofidiny.
Ny tena fitiavana tsy mamitaka.
Ny tena fitiavana tsy miovaova arakaraka ny toetr’andro.
Ny tena fitiavana tsy mandositra rehefa tonga ny adidy sy andraikitra.
Fa inona no mahatonga lehilahy sasany tsy ho tamana?
Inona no mahatonga azy ireo hiala amin’ilay hafanana sy fitoniana efa eo anilany?
Indraindray tsy hoe tsy tiana intsony ianao.
Fa misy lehilahy mbola tsy vonona hitondra ny lanjan’ny β€œfitiavana maharitra”.
Mbola te hahatsapa fahalalahana tsy misy adidy,
mbola mitady zavatra ivelany hanaporofoany ny maha-izy azy.
Kanefa ny lehilahy matotra sy mahalala ny lanjan’ny vehivavy eo anilany,
dia tsy mitady fifaliana any ivelany.
Satria fantany fa ny tena harena dia ilay fitiavana milamina ao an-trano.
Tsarovy anefa :
Raha misy miova ka mahatonga anao hijaly sy hanenina foana,
dia tsy midika izany fa very lanja ianao.
Indraindray, tsy ianao no diso…
fa ilay olona tsy nahay nitazona ny soa efa teo an-tanany.
Ary ny fitiavana tena izy?
Tsy mampanahy,
tsy mampifaninana,
tsy mampitomany matetika.
Fa mampitony. 🀍
✍️✍️✍️Faniry Coachingg😍😍😍



α©£γ‚·

Address

Mangarivotra
Mahajanga
401

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when π…πšπ§π’π«π² π‚π¨πšπœπ‘π’π§π  posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share