02/08/2025
𝗙𝗟𝗢𝗖𝗢𝗡 𝗗'𝗔𝗩𝗢𝗜𝗡𝗘
ty ary ny resaka Flocon d'avoine fa maro be ianareo no liana hoe:
💥 ahoana rehefa mampitombo?
🌟 ahoana rehefa mampihena ?
🎉Raha misy sakafo tena fihinan'ny mpikotrana dia ity anisany aloha e😁 na mampitombo na mampihena dia ilaina be 💪
❌ Raha mampihena ianao :
➡️ Portion kely no hohanina 30 à 50g , miaraka amin'ny ronono na rano tsy misy siramamy ( afaka asiana Stevia ) , afaka asiana Voankazo ( Fraise , akondro , poma sns fa tsy atao be dia be ) , azo asiana Whey mba ho proteiné tsara, na atao amin'ny Yaourt Nature , Skyr , atody, na koa atao Pancakes sns....
👉 Fotoana tsara hihinana azy ny Maraina na alohany hikotrana
❌ Raha mampitombo ianao :
➡️ Ampitomboina kosa ny portion 80 à 100g , afaka hohanina foana mandritra tontolo andro ( afaka atao collation ) , miaraka amin'ny Rano na Ronono , azonao asiana siramamy , chocolat , cacao , akondro , sns.... Afaka asiana Whey ihany koa mba ho proteiné tsara
👉 Ohatra tsara be : Flocon mixena + akondro + Whey + ronono + beurre de cacahuète raha mahita ianao , toa ambony calorie tsara manampy ampitombo anao 💪
☺️Mazava amitsika am'zay kosa ee😊
Mirary soa ho antsika iaby ee🙏🙏