15/09/2025
Ny discernement eo @ sehatry ny finoana , ny fahafanao manavaka ny zavatra iray raha avy amin’Andriamanitra na tsia .
Dia indraindray isika maika be , hoe ahoana no ahalalako hoe avy Aminy ny teny , na eritreritra , nofy indraindray na olona mihitsy aza.
Eritrereto hoe misy olona tsy mihaona aminao mihitsy, na tsy hitanao mihitsy raha tsy isaky ny 10 taona. Raha sendra maheno ny feony ianao de mety ho fantatrao ve hoe feony izay , raha misy sary hitanao ve dia hainao ny manavaka hoe ity izy ity.
Dia ohatr’izay ihany e! Raha tsy mifanerasera amin’Andriamanitra mihitsy ianao , ahoana no anavahanao ny feony? Raha tsy mamaky ny teniNy mihitsy ianao, ahoana no ahalalanao nu sitrapony ?
« Tena tsy aiko mihitsy hoe avy amin’Andriamanitra ve le hevitra » ka ny baibolinao aza feno vovoka fotsiny. VAKIO ALOHA LE BAIBOLY , MIRESAHA ALOHA AMINY , SAINO IZAY LAZAINY, ARY AMPIHARO
“Aoka ianao hahavatra mamaky ity bokin’ny lalàna ity ary handinika azy andro aman’alina mba himasoanao ny hanao araka izay rehetra voasoratra anatiny. Amin’izay dia ho tontosanao tsara ny fikasanao rehetra ary hahomby ianao.”
Josoa 1:8 DIEM
Plus tu connais de vérité, plus facile ce sera de discerner un mensonge
Io aloha ataovy ary, ezaho vakiana ilay Baiboly, ezaho fenoina vavaka ny fiainanao , ezako fenoina fiderana ny tontolo andronao.
Tahian’i Jesosy anie ity herinandro vaovaonao ity❤️